Nontontosana sy nosokafana tamin'ny fomba ofisialy nanomboka androany alakamisy 29 septambra hatramin'ny alahady 02 oktobra 2022 etsy @ tokontany malalaky ny Ivon-toerana fandraisana fivoriana iraisam-pirenena Ivato ny fampiratina iraisam-pirenena ny varotra fiarakodia. Mandray anjara mavitrika amin'izany ny Foibe fitsarana fiarakodia ho fampahafantarana ny asa sy andraikitra sahaniny ankoatran'ny Ministeran'ny Fitaterana sy ny famatarana ny toetrandro, ny filaminam-bahoaka, ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana antanety, ny Automobile club de Madagascar, ny Centre immatriculateur, sy ireo mpisehatra rehetra mahakasika ny fiarakodia. Ny Foibe fitsarana fiarakodia dia hanatanteraka kaoferansa nampitondraina ny loha-hevitra "sécurité routière pour tous" hiarahany @ mpisehatra amin'ny kodiarandroa ny zoma 29 septambra 2022 manomboka @ 3ora tolakandro ao @ salle de conférence 'ny CCI Ivato ihany zay hanasana ny besinimaro. Koa tongava maro.

Vous pourriez aussi aimer